Leviticus 13:55 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa voasasa izany dia hozahan’ny mpisorona indray ny aretina; koa raha hitany fa tsy niova endrika ny aretina, na dia tsy niitatra aza, dia maloto izy ka hodorana amin’ny afo. Tena aretina izany, na amin’ny atiny, na amin’ny ivelany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha efa izany, hozahan’ny mpisorona ny fery amin’ilay zavatra efa nosasana, ka raha tsy niova toetra izy, sady tsy nanitatra, dia maloto ilay zavatra, ka dory amin’ny afo; fa efa nasian’ny habokana ny lafitsarany na ny lafiratsiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia hozahan’ny mpisorona ny holatra eo amin’ilay zavatra voasasa; ka raha hitany fa tsy niova toetra ny holatra na dia tsy nanitatra aza, dia maloto ilay zavatra voany ka hodorana amin’ny afo, na ny lafitsarany na ny lafiratsiny no voakikin’ny bobongolo.
Malagasy Bible 1865
ary rehefa voasasa izy, dia hozahan'ny mpisorona indray ny aretina; ka raha hitany fa tsy niova tarehy ny aretina, na dia tsy nanitatra aza, dia maloto izy ka hodoranao amin'ny afo; aretina mafy izany, na amin'ny atiny, na amin'ny ivelany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa voasasa izany dia hozahan’ny mpisorona indray ny aretina; koa raha hitany fa tsy niova endrika ny aretina, na dia tsy niitatra aza, dia maloto izy ka hodorana amin’ny afo. Tena aretina izany, na amin’ny atiny, na amin’ny ivelany.
malagasy