Leviticus 13:56 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha mizaha azy ny mpisorona ka hitany fa matromatroka ny aretina rehefa voasasa izy dia hesoriny ho afaka amin’ny fitafiana ny misy izany, na ho afaka amin’ny hoditra na ho afaka amin’ny tenony na ny fahany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha hitan’ny mpisorona anefa fa mihamatromatroka ny fery nony efa nosasana, dia hoesoriny amin’ny fitafiana na amin’ny hoditra na amin’ny kofehy natao tenany na fahany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa rehefa nozahan’ny mpisorona kosa ka hitany fa nihamatromatroka ny holatra amin’ilay zavatra voasana, dia ny faritra misy holatra fotsiny no hoesoriny aminy.
Malagasy Bible 1865
Fa raha mizaha azy ny mpisorona, ka hitany fa matromatroka ny aretina, rehefa voasasa izy, dia hesorina ho afaka amin'ny fitafiana ny misy izany, na ho afaka amin'ny hoditra, na ho afaka amin'ny tenany, na izay ho fahany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha mizaha azy ny mpisorona ka hitany fa matromatroka ny aretina rehefa voasasa izy dia hesoriny ho afaka amin’ny fitafiana ny misy izany, na ho afaka amin’ny hoditra na ho afaka amin’ny tenony na ny fahany.
malagasy