Leviticus 13:57 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha mbola misy miseho eo amin’ny fitafiana indray izany, na eo amin’ny tenony na eo amin’ny fahany na eo amin’izay zavatra vita tamin’ny hoditra, dia bobongolo mipoitra izany ka hodorana amin’ny afo izay misy azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha miseho amin’ny fitafiana indray izy, na amin’ny kofehy natao tenany na fahany, na amin’ny zavatra natao tamin’ny hoditra na inona na inona izany, dia habokana mipoitra, ka dory amin’ny afo ilay zavatra voan’ny fery.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha mbola misy holatra miseho indray eo amin’ny fitafiana na lamba na akanjobà na fitaovana vita hoditra, dia bobongolo mipoitra izany ka hodorana amin’ny afo ilay zavatra voany.
Malagasy Bible 1865
Ary raha mbola misy miseho eo amin'ny fitafiana indray izy, na eo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, dia aretina mipoipoitra izany, ka hodorana amin'ny afo izay misy izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha mbola misy miseho eo amin’ny fitafiana indray izany, na eo amin’ny tenony na eo amin’ny fahany na eo amin’izay zavatra vita tamin’ny hoditra, dia bobongolo mipoitra izany ka hodorana amin’ny afo izay misy azy.
malagasy