Leviticus 13:58 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny fitafiana, na ny tenony na ny fahany na izay zavatra vita tamin’ny hoditra, izay hosasana, raha afaka taminy ny aretina dia hosasana fanindroany ireo ka hadio.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha nosasana ny fitafiana, ny kofehy natao tenany na fahany, ny zavatra natao tamin’ny hoditra na inona na inona, ka levona ny fery, dia sasao indray izy, dia ho madio.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha misy fitafiana na lamba na akanjobà na fitaovana vita hoditra bobongolo nosasana ka nanjavona ny holatra taminy, dia hosasana fanindroany vao hadio.»
Malagasy Bible 1865
Ary ny fitafiana, na izay ho an'ny tenany, na izay ho fahany, na izay zavatra natao tamin'ny hoditra, izay hosasanao, raha afaka taminy ny aretina, dia hosasana fanindroany izy ka hadio.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny fitafiana, na ny tenony na ny fahany na izay zavatra vita tamin’ny hoditra, izay hosasana, raha afaka taminy ny aretina dia hosasana fanindroany ireo ka hadio.
malagasy
Ary ny fitafiana, na izay ho an'ny tenany, na izay ho fahany, na izay zavatra natao tamin'ny hoditra, izay hosasanao, raha afaka taminy ny aretina, dia hosasana fanindroany izy ka hadio.Izany no lalàna ny amin'ny habokana eo amin'ny fitafiana volon'ondry na rongony, na eo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, hanaovana azy hoe madio, na hanaovana azy hoe maloto.