Leviticus 13:59 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izany no lalàna ny amin’ny bobongolo eo amin’ny fitafiana volon’ondry na lamba rongony, na eo amin’ny tenony na ny fahany na eo amin’izay zavatra vita tamin’ny hoditra, hanaovana azy hoe madio na hanaovana azy hoe maloto.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izany no lalàna momba ny fery habokana amin’ny fitafiana volon’ondry na rongony, ny kofehy natao tenany na fahany, ary ny zavatra natao tamin’ny hoditra, na inona na inona izany, mba hilazana azy hoe madio na maloto.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo no fepetra momba ny bobongolo amina fitafiana volon’ondry na kiran-drongony, amina lamba na akanjobà, ary amina fitaovana vita hoditra; ireo fepetra ireo no ahazoana manambara zavatra hoe madio na maloto.
Malagasy Bible 1865
Izany no lalàna ny amin'ny habokana eo amin'ny fitafiana volon'ondry na rongony, na eo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, hanaovana azy hoe madio, na hanaovana azy hoe maloto.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izany no lalàna ny amin’ny bobongolo eo amin’ny fitafiana volon’ondry na lamba rongony, na eo amin’ny tenony na ny fahany na eo amin’izay zavatra vita tamin’ny hoditra, hanaovana azy hoe madio na hanaovana azy hoe maloto.
malagasy