Leviticus 13:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hozahan’ny mpisorona indray izany amin’ny andro fahafito, koa raha hitany fa matromatroka ny aretina sady tsy miitatra eo amin’ny hoditra dia hambarany fa madio izy. Manakompery ihany izany ka hanasa ny fitafiany izy dia hadio.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’ny andro fahafito hozahan’ny mpisorona indray izy ka raha mihamatromatroka ny fery, sady tsy nanitatra eo amin’ny hoditra, dia holazain’ny mpisorona fa madio izany olona izany; anakandro izany, ka hanasa ny lambany izy, dia ho madio.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hozahan’ny mpisorona indray izy amin’ny andro fahafito ka raha hitany fa mihamatroka ny pentina fotsy sady tsy manitatra eo amin’ny hoditra, dia hambarany hoe madio ilay olona; takopery ihany mantsy izany, ka hanasa fitafiana ilay marary, dia hadio.
Malagasy Bible 1865
ary raha zahan'ny mpisorona indray amin'ny andro fahafito izy, ka hitany fa matromatroka ny aretina sady tsy manitatra eo amin'ny hoditra, dia hataony hoe madio izy: manako-pery ihany izany, ka hanasa ny fitafiany izy, dia hadio.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hozahan’ny mpisorona indray izany amin’ny andro fahafito, koa raha hitany fa matromatroka ny aretina sady tsy miitatra eo amin’ny hoditra dia hambarany fa madio izy. Manakompery ihany izany ka hanasa ny fitafiany izy dia hadio.
malagasy