Leviticus 13:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha niitatra teo amin’ny hodiny kosa ny takompery taorianan’ny nisehoany tamin’ny mpisorona momba ny fanadiovana azy dia hiseho amin’ny mpisorona indray izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha manitatra eo amin’ny hoditra anefa ny anakandro taorian’ny nisehoany teo anatrehan’ny mpisorona mba hilazany azy hoe madio, dia hiseho amin’ny mpisorona indray izy
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha manitatra eo amin’ny hodiny kosa ny manako-pery, taorian’ny nisehoany tamin’ny mpisorona ka efa nanambarany azy hoe madio, dia hiseho amin’ny mpisorona indray izy.
Malagasy Bible 1865
Fa raha nanitatra teo amin'ny hodiny kosa ny manako-pery, taorian'ny nisehoany tamin'ny mpisorona ny amin'ny fanadiovana azy, dia hiseho amin'ny mpisorona indray izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha niitatra teo amin’ny hodiny kosa ny takompery taorianan’ny nisehoany tamin’ny mpisorona momba ny fanadiovana azy dia hiseho amin’ny mpisorona indray izy.
malagasy
Fa raha nanitatra teo amin'ny hodiny kosa ny manako-pery, taorian'ny nisehoany tamin'ny mpisorona ny amin'ny fanadiovana azy, dia hiseho amin'ny mpisorona indray izy.