Leviticus 14:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary amin’ny andro fahavalo dia haka zanak’ondrilahy roa tsy misy kilema izy sy zanak’ondrivavy iray izay iray taona, tsy misy kilema, miampy koba tsara toto telo ampahafolon’ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry ary diloilo iray loga.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’ny andro fahavalo izy hitondra zanak’ondry tsy misy kilema roa, ondrivavy vao iray taona, tsy misy kilema, iray, lafarina tsara indrindra telo ampahafolon’ny efah, voadity tamin’ny diloilo, hatao fanatitra, ary diloilo iray loga.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Amin’ny andro fahavalo, dia ireto avy no zavatra hoentiny; zanakondrilahy roa tsy misy kilema, zanakondrivavy anankiray tsy misy kilema sady vao iray taona, koba lafarinina tsara voaharo menaka sady milanja sivy kilao, ary menaka antsasa-litatra.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'ny andro fahavalo dia haka zanak'ondrilahy roa tsy misy kilema izy ary zanak'ondrivavy iray tsy misy kilema izay iray taona ary koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary diloilo iray loga.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary amin’ny andro fahavalo dia haka zanak’ondrilahy roa tsy misy kilema izy sy zanak’ondrivavy iray izay iray taona, tsy misy kilema, miampy koba tsara toto telo ampahafolon’ny efaha* voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry ary diloilo iray loga*.
malagasy
Ary amin'ny andro fahavalo dia haka zanak'ondrilahy roa tsy misy kilema izy ary zanak'ondrivavy iray tsy misy kilema izay iray taona ary koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary diloilo iray loga.