Leviticus 14:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia haka ny zanak’ondrilahy iray ny mpisorona ka hanolotra azy ho fanati-panonerana miaraka amin’ny diloilo iray loga dia hataony fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Halain’ny mpisorona ny iray amin’ireo zanak’ondry, ka hatolony ho sorona fanonerana, mbamin’ny diloilo iray loga koa, ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia haka ny zanakondrilahy iray ny mpisorona, ka hanolotra azy ho sorom-panonerana miaraka amin’ny menaka antsasa-litatra; hahevahevany eo anatrehan’ny TOMPO no ho fomba fanolotra an’ireo.
Malagasy Bible 1865
dia haka ny zanak'ondrilahy iray ny mpisorona ka hanatitra azy ho fanati-panonerana mbamin'ny diloilo iray loga ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia haka ny zanak’ondrilahy iray ny mpisorona ka hanolotra azy ho fanati-panonerana miaraka amin’ny diloilo iray loga dia hataony fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO izany.
malagasy
dia haka ny zanak'ondrilahy iray ny mpisorona ka hanatitra azy ho fanati-panonerana mbamin'ny diloilo iray loga ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.