Leviticus 14:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hamono ilay zanak’ondrilahy eo amin’ny famonoana ny fanatitra fanadiovana sy ny fanatitra dorana manontolo izy, dia eo amin’ny fitoerana masina; fa ho an’ny mpisorona ny fanatitra fanadiovana, toy ny fanati-panonerana. Zavatra tena masina izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Eo amin’ny toerana famonoana ny sorona noho ny ota, sy ny sorona dorana, no hamonoany ny zanak’ondry, dia eo amin’ny fitoerana masina; fa amin’ny sorona fanonerana, dia an’ny mpisorona, toy ny amin’ny sorona noho ny ota, ny zavatra atao sorona: zava-masina dia masina izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Io zanakondrilahy io dia hovonoiny eo amin’ny toerana famonoana ny biby hatao sorona fanalana ny ota na hatao sorona dorana manontolo, dia eo amin’ny faritra voatokana hanaovana izany; tahaka ny amin’ny sorona fanalana ny ota no fanao amin’ny sorom-panonerana, ka zava-masina dia masina natao ho anjaran’ny mpisorona izany.
Malagasy Bible 1865
Ary hamono ny zanak'ondrilahy eo amin'ny famonoana ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana izy, dia eo amin'ny fitoerana masina; fa ho an'ny mpisorona ny fanatitra noho ny ota, toy ny fanati-panonerana, ho masina dia masina izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hamono ilay zanak’ondrilahy eo amin’ny famonoana ny fanatitra fanadiovana sy ny fanatitra dorana manontolo izy, dia eo amin’ny fitoerana masina; fa ho an’ny mpisorona ny fanatitra fanadiovana, toy ny fanati-panonerana. Zavatra tena masina izany.
malagasy