Leviticus 14:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary ny diloilo sisa eo am-pelatanany dia hanosoran’ny mpisorona ny ravin-tsofina havanan’ilay hodiovina sy ny ankiben-tanany havanana ary ny ankiben-tongony havanana eo amin’ilay nasiana ny ran’ny fanati-panonerana;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny diloilo sisa eo an-tanany, dia hatentiny an’ilay midio amin’ny tendron’ny ravin-tsofiny havanana, sy ny ankiben-tanany havanana ary ny ankiben-tongony havanana, dia eo ambonin’ny ran’ny sorona fanonerana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia mbola io menaka am-pelatanany io no hanentenany an’ilay diovina; dia hatentiny eo amin’ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankiben-tanany ankavanana ary ny ankiben-tongony ankavanana izany, dia eo amin’ireo faritra efa notentenana ny ran’ilay sorom-panonerana.
Malagasy Bible 1865
ary ny diloilo sisa eo am-pelatanany dia hanentenan'ny mpisorona ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana eo amin'ilay nasiana ny ran'ny fanati-panonerana;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary ny diloilo sisa eo am-pelatanany dia hanosoran’ny mpisorona ny ravin-tsofina havanan’ilay hodiovina sy ny ankiben-tanany havanana ary ny ankiben-tongony havanana eo amin’ilay nasiana ny ran’ny fanati-panonerana;
malagasy