Leviticus 14:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha mahantra kosa ilay boka ka tsy tratry ny ananany izany dia hitondra zanak’ondry iray hatao fanati-panonerana asandratra izy hanaovana fanavotana ho azy; koba tsara toto ampahafolon’ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy diloilo iray loga
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha mahantra izy, ka tsy ampy ny fananany, dia haka zanak’ondry iray monja ihany izy, hatolotra ho sorona fanonerana, fanatitra ahevaheva, hanaovana ny fanonerana ho azy. Haka lafarina tsara indrindra izy, ampahafolon’ny efah ihany voadity amin’ny diloilo, hatao fanatitra, ary diloilo iray loga,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha mahantra ilay marary hoditra ka tsy misy harena firy ananany, dia ireto avy ny zavatra hoentiny: zanakondrilahy iray monja hatao sorom-panorenana ka hahevaheva eo anatrehan’ny Tompo no fanolotra azy mba hanaovana ny fombam-pivavahana fanadiovana; koba lafarinina tsara voaharo menaka sady milanja telo kilao; menaka antsasa-litatra;
Malagasy Bible 1865
Fa raha malahelo kosa izy, ka tsy tratry ny ananany izany, dia hitondra zanak'ondry iray hatao fanati-panonerana havehaveva izy, hanaovana fanavotana ho azy, ary koba tsara toto iray ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra hohanina sy diloilo iray loga
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha mahantra kosa ilay boka ka tsy tratry ny ananany izany dia hitondra zanak’ondry iray hatao fanati-panonerana asandratra izy hanaovana fanavotana ho azy; koba tsara toto ampahafolon’ny efaha* voaharo diloilo hatao fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy diloilo iray loga*
malagasy
Fa raha malahelo kosa izy, ka tsy tratry ny ananany izany, dia hitondra zanak'ondry iray hatao fanati-panonerana havehaveva izy, hanaovana fanavotana ho azy, ary koba tsara toto iray ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra hohanina sy diloilo iray loga