Leviticus 14:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hovonoina ny zanak’ondry izay hatao fanati-panonerana ary hakan’ny mpisorona ny ran’ny fanati-panonerana ka hohosorany ny ravin-tsofina havanan’ilay hodiovina sy ny ankiben-tanany havanana ary ny ankiben-tongony havanana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary rehefa avy namono ny zanak’ondry hatao sorona fanonerana ny mpisorona, dia hangalany ny ra avy amin’ny sorona fanonerana, hatentiny amin’ilay midio eo amin’ny tendron’ny ravin-tsofiny havanana sy ny ankiben-tanany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hovonoin’ny mpisorona io zanakondrilahy sorom-panonerana io, dia hangalany ny rany mba hanentenany an’ilay diovina dia hatentiny eo amin’ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankiben-tanany ankavanana ary ny ankiben-tongony ankavanana izany.
Malagasy Bible 1865
Dia hovonoina ny zanak'ondry izay hatao fanati-panonerana, dia hangalan'ny mpisorona ny ran'ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hovonoina ny zanak’ondry izay hatao fanati-panonerana ary hakan’ny mpisorona ny ran’ny fanati-panonerana ka hohosorany ny ravin-tsofina havanan’ilay hodiovina sy ny ankiben-tanany havanana ary ny ankiben-tongony havanana.
malagasy