Leviticus 14:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary hohosoran’ny mpisorona amin’ny diloilo izay eo an-tanany ny ravin-tsofina havanan’ilay hodiovina sy ny ankiben-tanany havanana sy ny ankiben-tongony havanana, eo amin’ilay toerana nasiana ny ran’ny fanati-panonerana;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hotentenan’ny mpisorona amin’ny diloilo eo an-tanany ilay midio, dia eo amin’ny tendron’ny ravin-tsofiny havanana, sy ny ankiben-tanany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana, amin’izay nasiany ny ran’ny zavatra natao sorona fanonerana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hotentenan’ny mpisorona amin’io menaka io koa ilay diovina, ka hatentiny eo amin’ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankiben-tanany ankavanana ary ny ankiben-tongony ankavanana izany, dia eo amin’ireo faritra efa notentenana ny ran’ilay sorom-panonerana.
Malagasy Bible 1865
dia hotentenan'ny mpisorona amin'ny diloilo izay eo an-tànany ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana sy ny ankihiben-tongony ankavanana, eo amin'ilay nasiana ny ran'ny fanati-panonerana;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary hohosoran’ny mpisorona amin’ny diloilo izay eo an-tanany ny ravin-tsofina havanan’ilay hodiovina sy ny ankiben-tanany havanana sy ny ankiben-tongony havanana, eo amin’ilay toerana nasiana ny ran’ny fanati-panonerana;
malagasy