Leviticus 14:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
koa ny iray dia hatao fanatitra fanadiovana, ary ny iray kosa dia hatao fanatitra dorana manontolo, miaraka amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry; ary hanao fanavotana ho an’ilay hodiovina eo anatrehan’NY TOMPO ny mpisorona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ny iray ho sorona noho ny ota, ny iray ho sorona dorana, ombam-panatitra. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ny fanonerana ho an’izay midio, eo anatrehan’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka hatolony ho sorona fanalana ny ota; ny anankiray kosa hatolony ho sorona dorana manontolo miaraka amin’ny fanatitra lafarinina. Dia eo anatrehan’ny TOMPO no hanaovan’ny mpisorona fanintelony ny fombam-pivavahana fanadiovana ho an’ilay olona.»
Malagasy Bible 1865
dia ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra dorana, mbamin'ny fanatitra hohanina; ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ilay hodiovina eo anatrehan'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
koa ny iray dia hatao fanatitra fanadiovana, ary ny iray kosa dia hatao fanatitra dorana manontolo, miaraka amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry; ary hanao fanavotana ho an’ilay hodiovina eo anatrehan’NY TOMPO ny mpisorona.
malagasy