Leviticus 14:48 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanefa kosa raha tonga ny mpisorona ka mizaha azy ary hitany fa tsy niitatra teo amin’ny trano ny aretina rehefa voalalotra ny trano dia hambaran’ny mpisorona fa madio ny trano satria efa afaka ny aretina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nefa raha hitan’ny mpisorona nony efa niverina tao an-trano izy, fa tsy nanitatra ilay fery taorian’ny nandalorana ny trano, dia holazaina fa madio ny trano satria sitrana ny fery.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Rehefa tonga tokoa ny mpisorona mba hizaha ilay trano, ka hitany fa tsy nanitatra teo amin’ny trano ny pentina, tatỳ aorian’ny nandalorana azy indray, dia hambarany hoe madio ilay trano satria efa afaka ny pentina bobongolo.
Malagasy Bible 1865
Kanefa kosa raha tonga ny mpisorona ka mizaha azy, ary hitany fa tsy nanitatra teo amin'ny trano ny aretina, rehefa voalalotra ny trano, dia hataon'ny mpisorona hoe madio ny trano, satria efa afaka ny aretina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanefa kosa raha tonga ny mpisorona ka mizaha azy ary hitany fa tsy niitatra teo amin’ny trano ny aretina rehefa voalalotra ny trano dia hambaran’ny mpisorona fa madio ny trano satria efa afaka ny aretina.
malagasy