Leviticus 14:51 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
horaisiny ny hazo sedera sy ny rantsana hisopa ary ny lamba jaky sy ny vorona velona ka hatsobony ao amin’ny ran’ilay vorona novonoina sy eo amin’ny rano nalaina tamin’ny rano mandeha, dia hamafazany ny trano impito izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary halainy ny hazo sedera sy ny hisopa, mbamin’ny lamba mena antitra, sy ny vorona mbola velona, hatsobony ao anatin’ny ran’ilay vorona novonoina sy ao anatin’ny rano velona ka hamafazany ny trano impito.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Horaisiny kosa ny hazo sedera, ny rantsana hisôpa, ny lamba jaky, ary ilay vorona velona, ka samy hatsobony ao anatin’ny ran’ilay vorona novonoina sy ao anatin’ilay rano avy amina loharano, ka hanaovany famafazana impito amin’ilay trano.
Malagasy Bible 1865
dia horaisiny ny hazo sedera sy ny hysopa sy ny jaky ary ny vorona velona, ka hatsobony eo amin'ny ran'ny vorona izay novonoina sy eo amin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha, dia hamafazany ny trano impito.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
horaisiny ny hazo sedera sy ny rantsana hisopa ary ny lamba jaky sy ny vorona velona ka hatsobony ao amin’ny ran’ilay vorona novonoina sy eo amin’ny rano nalaina tamin’ny rano mandeha, dia hamafazany ny trano impito izany.
malagasy