Leviticus 14:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ilay hodiovina dia hanasa ny fitafiany sy hanaratra ny volony rehetra ary handro amin’ny rano ka hadio; ary rehefa afaka izany dia hankeo an-toby izy, kanefa hitoetra eo ivelan’ny tranolainy hafitoana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay midio hanasa ny fitafiany, hanaratra ny volon-kodiny rehetra ary handro amin’ny rano, dia hadio izy, ka hahazo miditra an-toby, nefa mbola hijanona eo ivelan’ny lainy hafitoana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hanasa fitafiana ilay diovina, sy hanaratra ny volo rehetra eo amin’ny tenany ary handro amin’ny rano, dia hadio. Hiditra ao an-toby izy aorian’izany, kanefa hitoetra eo ivelan’ny tranolainy mandritra ny fito andro.
Malagasy Bible 1865
Ary ilay hodiovina dia hanasa ny fitafiany sy hanaratra ny volon-dohany rehetra ary handro amin'ny rano, ka hadio izy; ary rehefa faka izany dia hankeo an-toby izy, kanefa hitoetra eo ivelan'ny lainy hafitoana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ilay hodiovina dia hanasa ny fitafiany sy hanaratra ny volony rehetra ary handro amin’ny rano ka hadio; ary rehefa afaka izany dia hankeo an-toby izy, kanefa hitoetra eo ivelan’ny tranolainy hafitoana.
malagasy