Leviticus 14:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’ny andro fahafito dia hanaratra ny volony rehetra izy, na ny volon-dohany izany na ny volombavany na ny volomasony; eny ny volony rehetra dia hoharatany avokoa ary hanasa ny fitafiany izy sady handro amin’ny rano dia hadio.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’ny andro fahafito hoharatany avokoa ny volon-kodiny rehetra, ny volon-dohany, ny volombavany, ny manja-masony, hoharatany ny volon-kodiny rehetra; ary hosasany ny fitafiany, hampandroiny amin’ny rano ny tenany, dia hadio izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’ny andro fahafito, dia hoharatany avokoa ny volo eo amin’ny tenany, na volon-doha na somotra na manjamaso na volo hafa rehetra; ary hanasa fitafiana izy sady handro amin’ny rano, dia hadio.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'ny andro fahafito dia hanaratra ny volony rehetra izy, na ny volon-dohany, na ny somony, na ny manja-masony; ny volony rehetra hoharatany avokoa ary hanasa ny fitafiany izy sady handro amin'ny rano, dia hadio izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’ny andro fahafito dia hanaratra ny volony rehetra izy, na ny volon-dohany izany na ny volombavany na ny volomasony; eny ny volony rehetra dia hoharatany avokoa ary hanasa ny fitafiany izy sady handro amin’ny rano dia hadio.
malagasy