Leviticus 15:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa sitrana amin’ny fitsihany ny marary mitsika dia hiandry hafitoana izy ho amin’ny fanadiovana azy ary hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano mandeha izy dia hadio.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa sitrana amin’ny fitsihany ilay marary mitsîka, hanisa andro fito aloha amin’ny fidiovany, vao hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano velona, dia hadio.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Rehefa sitrana amin’izany fitsihana izany ralehilahy, dia miandry fito andro izy vao hatao ny fombam-pivavahana fanadiovana azy; hanasa fitafiana sy handro amin’ny ranon-doharano izy, dia hadio.
Malagasy Bible 1865
Ary raha sitrana amin'ny fitsihany ny marary mitsika, dia hiandry hafitoana ny amin'ny fanadiovana azy izy; ary hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano mandeha izy, dia hadio.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa sitrana amin’ny fitsihany ny marary mitsika dia hiandry hafitoana izy ho amin’ny fanadiovana azy ary hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano mandeha izy dia hadio.
malagasy
Ary raha sitrana amin'ny fitsihany ny marary mitsika, dia hiandry hafitoana ny amin'ny fanadiovana azy izy; ary hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano mandeha izy, dia hadio.