Leviticus 15:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy vehivavy mararin’ny fadimbolany ka mandeha ra tsy mijanona dia haloto hafitoana izy ary izay rehetra mikasika azy dia haloto mandra-paharivan’ny andro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha misy vehivavy mararin’ny fadim-bolana, fitsihan’ny ra amin’ny tenany, dia haloto hafitoana izy. Ny olona rehetra hikasika azy, haloto mandra-paharivan’ny andro;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha misy vehivavy mararin’ny fadimbolany ka voan’ny fitsihan-dra avy amin’ny taovam-pivaviana, dia haloto izy mandritra ny fito andro. Izay olona mahakasika azy dia haloto mandra-paharivan’ny andro.
Malagasy Bible 1865
Ary raha misy vehivavy mararin'ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy; ary izay rehetra mikasika azy dia haloto mandra-paharivan'ny andro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy vehivavy mararin’ny fadimbolany ka mandeha ra tsy mijanona dia haloto hafitoana izy ary izay rehetra mikasika azy dia haloto mandra-paharivan’ny andro.
malagasy
Ary raha misy vehivavy mararin'ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy; ary izay rehetra mikasika azy dia haloto mandra-paharivan'ny andro.