Leviticus 15:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy lehilahy mandry amin’ny vehivavy ary mankeo aminy ny ra amin’ny fadimbolany dia haloto hafitoana izy ary izay rehetra andriany dia haloto koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha misy lehilahy mandry aminy, ka mankeo amin’ny fahalotoan’io vehivavy io, dia haloto hafitoana izy ary izay farafara rehetra handriany dia haloto avokoa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha misy lehilahy miray amin-dravehivavy mandritra izany fadimbolany izany, dia itsihan’ny rany izy ka haloto mandritra ny fito andro; ary izay farafara handrian’io lehilahy io dia haloto koa.
Malagasy Bible 1865
Ary raha misy lehilahy mandry amin-dravehivavy, ary mankeo aminy ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy, ary izay rehetra andriany dia haloto koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy lehilahy mandry amin’ny vehivavy ary mankeo aminy ny ra amin’ny fadimbolany dia haloto hafitoana izy ary izay rehetra andriany dia haloto koa.
malagasy
Ary raha misy lehilahy mandry amin-dravehivavy, ary mankeo aminy ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy, ary izay rehetra andriany dia haloto koa.