Leviticus 15:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy vehivavy marary mitsi-dra ela, ankoatra ny andro fahalotoany amin’ny fadimbolany, na raha misy mararin’ny fadimbolana ka mandeha ra mihoatra noho ny fiaviny mahazatra dia haloto izy amin’ny andron’ny faharariany rehetra, tahaka ny amin’ny andro fahalotoany ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha misy vehivavy mitsi-dra mandritra ny andro maro, ivelan’ny fotoan’ny fadim-bolana, na ny fadim-bolany no mandeha lava, mihoatra ny fotoana fahalotoana, dia haloto mandritra izay andro rehetra itsîhany izy, toy ny amin’ny fotoana aharariany isam-bolana ihany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha misy vehivavy marary mitsi-dra mandritra ny andro maro ivelan’ny fadimbolany, na raha misy vehivavy mararin’ny fadimbolany ka mbola mitsika ra ankoatran’ny fotoana fadimbolany, dia haloto izy mandritra ny andro aharetan’ny fitsihana, toy ny amin’ny fadimbolany ihany.
Malagasy Bible 1865
Ary raha misy vehivavy marary mitsi-drà ela, na dia tsy amin'ny andro fahalotoany amin'ny fadim-bolany aza, na raha misy mararin'ny fadim-bolana ka mandeha mihoatra noho ny fihaviny, dia haloto izy amin'ny andron'ny faharariany rehetra, tahaka ny amin'ny andro fahalotoany ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy vehivavy marary mitsi-dra ela, ankoatra ny andro fahalotoany amin’ny fadimbolany, na raha misy mararin’ny fadimbolana ka mandeha ra mihoatra noho ny fiaviny mahazatra dia haloto izy amin’ny andron’ny faharariany rehetra, tahaka ny amin’ny andro fahalotoany ihany.
malagasy