Leviticus 15:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia haterin’ny mpisorona ny iray hatao fanatitra fanadiovana ary ny iray hatao fanatitra dorana manontolo; dia hanao fanavotana ho an’i Ravehivavy eo anatrehan’NY TOMPO ny mpisorona noho ny faharariany izay nahaloto azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hatolotry ny mpisorona ireo: ny iray hatao sorona noho ny ota, ny iray hatao sorona dorana, ary ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy, eo anatrehan’i Iaveh, noho ny fitsihana izay nahaloto azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hanolotra ireo ny mpisorona, ka ny anankiray hatao sorona fanalana ny ota, ary ny anankiray hatao sorona dorana manontolo. Dia eo anatrehan’ny TOMPO no hataon’ny mpisorona ho an-dravehivavy ny fombam-pivavahana fanadiovana azy noho ny fitsihany nahaloto azy.»
Malagasy Bible 1865
Dia haterin'ny mpisorona ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota ary ny anankiray hatao fanatitra odorana; dia hanao fanavotana ho an-dravehivavy eo anatrehan'i Jehovah ny mpisorona noho ny faharariany izay nahaloto azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia haterin’ny mpisorona ny iray hatao fanatitra fanadiovana ary ny iray hatao fanatitra dorana manontolo; dia hanao fanavotana ho an’i Ravehivavy eo anatrehan’NY TOMPO ny mpisorona noho ny faharariany izay nahaloto azy.
malagasy