Leviticus 15:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa hosarahinareo amin’ny fahalotoany ny Zanak’Israely mba tsy handotoany ny tabernakeliko izay eo anivony, koa tsy hahafaty azy ny fahalotoany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ampianaro hidio amin’ny fahalotoany ny zanak’i Israely, sao ho faty noho ny fahalotoany izy, amin’ny fandotoany ny Fonenako izay eo afovoany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia mbola niteny tamin’i Mosesy sy i Aharôna indray ny TOMPO nanao hoe: «Hasainareo hanalavitra ny Toeramasina ny Israelita rehefa maloto ara-pivavahana, sao ho faty izy ireo noho ny fandotoany ny tranolay fonenako izay eo aminy.»
Malagasy Bible 1865
Dia hampisarahinareo amin'ny fahalotoany ny Zanak'Isiraely, tsy handotoany ny tabernakeliko izay eo aminy, ka tsy hahafaty azy ny fahalotoany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa hosarahinareo amin’ny fahalotoany ny Zanak’Israely mba tsy handotoany ny tabernakeliko izay eo anivony, koa tsy hahafaty azy ny fahalotoany.
malagasy
Dia hampisarahinareo amin'ny fahalotoany ny Zanak'Isiraely, tsy handotoany ny tabernakeliko izay eo aminy, ka tsy hahafaty azy ny fahalotoany.