Leviticus 15:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izany no lalàna ny amin’ny marary mitsika sy ny amin’izay ialan’ny tsirinainy ka voaloto amin’izany,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izany no lalàna momba ny lehilahy mitsîka na voaloton’ny fandehanan’ny rano malotony,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo avy no fepetra ny amin’ny lehilahy voan’ny aretina mitsika na mandefa lahinaina tsy nahy ka voaloton’izany,
Malagasy Bible 1865
Izany no lalàna ny amin'ny marary mitsika, sy ny amin'izay ialan'ny azy, ka mahaloto azy izany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izany no lalàna ny amin’ny marary mitsika sy ny amin’izay ialan’ny tsirinainy ka voaloto amin’izany,
malagasy
Izany no lalàna ny amin'ny marary mitsika, sy ny amin'izay ialan'ny azy, ka mahaloto azy izany,ary ny amin'ny mararin'ny fadim-bolany, ary ny amin'ny marary mitsika, na lehilahy na vehivavy, ary ny amin'izay mandry amin'ny vehivavy maloto.