Leviticus 16:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny osilahy izay niharan’ny antsapaka ho an’i Azazela kosa dia hapetraka velona eo anatrehan’NY TOMPO hanaovana fanavotana eo amboniny mba handefasana azy hankany an-tany efitra ho an’i Azazela.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ny osilahy iray niharan’ny loka ho an’i Azazela kosa, hapetrany velona eo anatrehan’i Iaveh, hanaovana ny fanorenana ao aminy, dia halefany any an’efitra ho an’i Azazela.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ny osilahy voatendrin’ny antsapaka ho osy mikarenjy kosa dia ampiasaina hanatontosana ny fombam-pivavahana famelan-keloka: hapetraka velona eo anatrehan’ny TOMPO aloha ilay osilahy, vao horoahina ho osy mikarenjy any an-taniefitra.
Malagasy Bible 1865
Fa ny osilahy izay niharan'ny filokana ho an'i Azazela kosa dia hapetraka velona eo anatrehan'i Jehovah hanaovana fanavotana ho azy, mba handefasana azy hankany an-efitra ho an'i Azazela.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny osilahy izay niharan’ny antsapaka ho an’i Azazela kosa dia hapetraka velona eo anatrehan’NY TOMPO hanaovana fanavotana eo amboniny mba handefasana azy hankany an-tany efitra ho an’i Azazela.
malagasy
Fa ny osilahy izay niharan'ny filokana ho an'i Azazela kosa dia hapetraka velona eo anatrehan'i Jehovah hanaovana fanavotana ho azy, mba handefasana azy hankany an-efitra ho an'i Azazela.