Leviticus 16:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia haka vainafo eran’ny fitondrana afo avy amin’ny alitara eo anatrehan’NY TOMPO izy ary ditin-kazo manitra voatorotoro madinika eran’ny tanan-droa ka hoentiny miditra ao ambadiky ny efitra lamba izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia haka fanembohana feno vain’afo avy eo ambonin’ny ôtely, eo anatrehan’i Iaveh sy vovo-java-manitra eran-tanan-droa; ka hitondra izany zavatra izany mankao anatin’ny efitra lamba.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia haka fanembohana nofenoina vain’afo avy amin’ilay alitara izay ao amin’ny Toeramasina sy haka vovoka ditin-kazo manitra eran-tanan-droa, ka hitondra izany rehetra izany ao anatin’ny Toeramasina Indrindra.
Malagasy Bible 1865
Dia haka vain'afo eran'ny fitondran'afo avy amin'ny alitara eo anatrehan'i Jehovah izy, ary ditin-kazo mani-pofona voatorotoro madinika eran-tanan-droa, ka ho entiny miditra ao anatin'ny efitra lamba.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia haka vainafo eran’ny fitondrana afo avy amin’ny alitara eo anatrehan’NY TOMPO izy ary ditin-kazo manitra voatorotoro madinika eran’ny tanan-droa ka hoentiny miditra ao ambadiky ny efitra lamba izany.
malagasy