Leviticus 16:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hovonoiny ny osilahy izay hatao fanatitra fanadiovana ho an’ny olona ka hoentiny miditra ao ambadiky ny efitra lamba ny rany ary hataony tahaka ny efa nataony tamin’ny ran’ny vantotra ombilahy ihany ka hafafiny eo amin’ny rakotra fanaovam-panavotana sy eo anoloany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hovonoiny ny osy lahy, sorona noho ny ota, izay ho an’ny vahoaka, ka hoentiny miditra ao amin’ny efitra lamba ny rany, hataony tahaka ny nanaovany ny ran’ny ombalahy; dia hafafiny amin’ny fanaovam-panavotana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Manaraka izany, rehefa voavonon’i Aharôna ny osilahy izay hatao sorona fanalana ny ota ho an’ny vahoaka israelita, dia hoentiny miditra ao anatin’ny Toeramasina Indrindra koa ny rany; hataony tahaka ny efa nataony tamin’ny ran’ilay ombilahy izany, ka hafafiny eo ambonin’ny rakotra volamena sy eo anoloany.
Malagasy Bible 1865
Dia hovonoiny ny osilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny olona, ka ho entiny miditra ao anatin'ny efitra lamba ny ràny, dia hataony tahaka ny efa nataony tamin'ny ran'ny vantotr'ombilahy ihany ka hafafiny eo amin'ny rakotra fanaovam-panavotana sy eo anoloany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hovonoiny ny osilahy izay hatao fanatitra fanadiovana ho an’ny olona ka hoentiny miditra ao ambadiky ny efitra lamba ny rany ary hataony tahaka ny efa nataony tamin’ny ran’ny vantotra ombilahy ihany ka hafafiny eo amin’ny rakotra fanaovam-panavotana sy eo anoloany.
malagasy