Leviticus 16:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza avela hisy olona ao amin’ny tranolay fihaonana raha miditra hanao fanavotana ao amin’ny fitoerana masina i Arona, mandra-pialany avy nanao fanavotana ho an’ny tenany sy ny ankohonany ary ho an’ny fiangonana, dia ny Israely manontolo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aza avela hisy olona ao an-trano lay fihaonana, raha miditra izy hanao ny fanonerana ao amin’ny fitoerana masina, mandra-pivoakany. Hanao ny fanonerana ho an’ny tenany sy ny ankohonany ary ny fiangonan’i Israely rehetra izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy tokony hisy olona eo amin’ny Tranolay fihaonana, manomboka hatreo amin’ny idiran’i Aharôna hanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka mandra-pialany tao. Rehefa vita ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny tenany sy ho an’ny ankohonany ary ho an’ny Fiangonan’ny Israelita tsivakivolo,
Malagasy Bible 1865
Ary aza avela hisy olona ao amin'ny trano-lay fihaonana, raha miditra hanao fanavotana ao amin'ny fitoerana masina Arona mandra-pivoakany avy nanao fanavotana ho an'ny tenany sy ny ankohonany ary ho an'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza avela hisy olona ao amin’ny tranolay fihaonana raha miditra hanao fanavotana ao amin’ny fitoerana masina i Arona, mandra-pialany avy nanao fanavotana ho an’ny tenany sy ny ankohonany ary ho an’ny fiangonana, dia ny Israely manontolo.
malagasy