Leviticus 16:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa handeha ho eo amin’ny alitara eo anatrehan’NY TOMPO izy ka hanao fanavotana ho an’ny alitara. Hakany ny ran’ny vantotra ombilahy sy ny ran’ny osilahy ka hahosony amin’ireo tandroky ny alitara eo amin’ny manodidina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa hivoaka, dia ho eo amin’ny ôtely eo anatrehan’i Iaveh izy, hanao ny fanonerana ho an’ny ôtely, hangalany ny ran’ny ombalahy sy ny ran’ny osy lahy, anentenany ny tandroky ny ôtely, manodidina;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia hivoaka hankeo amin’ny alitara eo anoloan’ny Tranolay fihaonana izy, ka hanao ny fombam-pivavahana fanadiovana io alitara io. Samy hangalany avy ny ran’ny ombilahy sy ny ran’ny osilahy hanentenany ny tandroky ny alitara eo amin’ny zorony efatra;
Malagasy Bible 1865
Dia hivoaka ho eo amin'ny alitara eo anatrehan'i Jehovah izy ka hanao fanavotana ho an'ny alitara; dia hangalany ny ran'ny vantotr'ombilahy sy ny ran'ny osilahy ka hatentiny amin'ny tandroky ny alitara eo amin'ny zorony efatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa handeha ho eo amin’ny alitara eo anatrehan’NY TOMPO izy ka hanao fanavotana ho an’ny alitara. Hakany ny ran’ny vantotra ombilahy sy ny ran’ny osilahy ka hahosony amin’ireo tandroky* ny alitara eo amin’ny manodidina.
malagasy
Dia hivoaka ho eo amin'ny alitara eo anatrehan'i Jehovah izy ka hanao fanavotana ho an'ny alitara; dia hangalany ny ran'ny vantotr'ombilahy sy ny ran'ny osilahy ka hatentiny amin'ny tandroky ny alitara eo amin'ny zorony efatra.