Leviticus 16:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Lazao amin’i Arona rahalahinao mba tsy hiditra mandrakariva ao amin’ny fitoerana masina izy, dia ao anatin’ny efitra lamba, eo anoloan’ny rakotra fanaovam-panavotana izay eo ambonin’ny vata misy ny Fanekena mba tsy hahafaty azy; fa hiseho eo amin’ny rahona eo ambonin’ny rakotra fanaovam-panavotana Aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Ilazao i Aarôna rahalahinao, mba tsy hiditra lalandava ao amin’ny fitoerana masina, anatin’ny efitra lamba, eo anoloan’ny fanaovam-panavotana izay eo ambonin’ny fiara, sao ho faty izy, satria miseho eo amin’ny rahona eo ambonin’ny fanaovam-panavotana Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: «Ilazao i Aharôna rahalahinao mba tsy hiditra ao amin’ny Toeramasina Indrindra, ambadiky ny efitra lamba, afa-tsy amin’ny andro sahaza ihany; ary ilazao koa izy tsy hankeo anoloan’ilay Vatamasina izay misy rakotra volamena eo amboniny, sao ho faty izy satria hiseho anaty rahona eo ambonin’io rakotra volamena io Aho.»
Malagasy Bible 1865
dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona rahalahinao mba tsy hiditra mandrakariva ao amin'ny fitoerana masina izy; dia ao anatin'ny efitra lamba, eo anoloan'ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo ambonin'ny fiara, mba tsy hahafaty azy; fa hiseho eo amin'ny rahona eo ambonin'ny rakotra fanaovam-panatovana Aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Lazao amin’i Arona rahalahinao mba tsy hiditra mandrakariva ao amin’ny fitoerana masina izy, dia ao anatin’ny efitra lamba, eo anoloan’ny rakotra fanaovam-panavotana izay eo ambonin’ny vata misy ny Fanekena* mba tsy hahafaty azy; fa hiseho eo amin’ny rahona eo ambonin’ny rakotra fanaovam-panavotana Aho.
malagasy
dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona rahalahinao mba tsy hiditra mandrakariva ao amin'ny fitoerana masina izy; dia ao anatin'ny efitra lamba, eo anoloan'ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo ambonin'ny fiara, mba tsy hahafaty azy; fa hiseho eo amin'ny rahona eo ambonin'ny rakotra fanaovam-panatovana Aho.