Leviticus 16:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia handro amin’ny rano eo amin’ny fitoerana masina iray izy ka hitafy ny fitafiany, dia handeha izy ka hanatitra ny fanatitra dorana manontolo ho an’ny tenany sy ny fanatitra dorana manontolo ho an’ny olona ary hanao fanavotana ho an’ny tenany sy ny olona izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia handro amin’ny rano izy, vao hiakanjo ny fanamiana indray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Handro ao amin’ny faritra anankiray voatokana ho an’izany izy, dia hiakanjo fitafiana hafa; ary hiainga hanolotra ny sorona dorana manontolo ho an’ny tenany sy ny sorona dorana manontolo ho an’ny vahoaka izy ka hanatontosa ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny tenany sy ho an’ny vahoaka.
Malagasy Bible 1865
Dia handro amin'ny rano eo amin'izay fitoerana masina izy ka hitafy ny fitafiany; dia hivoaka izy ka hanatitra ny fanatitra dorana ho an'ny tenany sy ny fanatitra dorana ho an'ny olona ka hanao fanavotana ho an'ny tenany sy ny olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia handro amin’ny rano eo amin’ny fitoerana masina iray izy ka hitafy ny fitafiany, dia handeha izy ka hanatitra ny fanatitra dorana manontolo ho an’ny tenany sy ny fanatitra dorana manontolo ho an’ny olona ary hanao fanavotana ho an’ny tenany sy ny olona izy.
malagasy