Leviticus 16:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny vantotra ombilahy natao fanatitra fanadiovana sy ny osilahy natao fanatitra fanadiovana, izay efa nampidirina tao amin’ny fitoerana masina ny rany mba hanaovana fanavotana, dia hoentina mivoaka ho eny ivelan’ny toby ka hodorana amin’ny afo ny hodiny sy ny nofony ary ny tain-drorohany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny ombalahy noho ny ota sy ny osy lahy noho ny ota, izay nentin-dra tao amin’ny fitoerana masina hanaovana ny fanonerana dia hoenti-mivoaka any ivelan’ny toby, dia hodorany amin’ny afo ny hodiny, ny tenany ary ny tain-drorohany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny ombilahy sy osilahy, izay natao sorona fanalana ny ota sady samy efa nangalana ra mba hanaovana ny fombam-pivavahana famelan-keloka ao amin’ny Toeramasina Indrindra, dia hindaosina any ivelan’ny toby, ka hodorana ny hodiny sy henany ary dikin-drorohany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny vantotr'ombilahy natao fanatitra noho ny ota sy ny osilahy natao fanatitra noho ny ota, izay efa nampidirina tao amin'ny fitoerana masina ny ràny hatao fanavotana, dia ho entina mivoaka ho eny ivelan'ny amin'ny afo ny hodiny sy ny henany ary ny toby; ary hodorana tain-drorohany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny vantotra ombilahy natao fanatitra fanadiovana sy ny osilahy natao fanatitra fanadiovana, izay efa nampidirina tao amin’ny fitoerana masina ny rany mba hanaovana fanavotana, dia hoentina mivoaka ho eny ivelan’ny toby ka hodorana amin’ny afo ny hodiny sy ny nofony ary ny tain-drorohany.
malagasy