Leviticus 16:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izao no hoentin’i Arona raha miditra ao amin’ny fitoerana masina izy: Vantotra ombilahy iray hatao fanatitra fanadiovana sy ondrilahy iray hatao fanatitra dorana manontolo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ary izao no fomba harahin’i Aarôna raha miditra ao amin’ny fitoerana masina izy: Haka vantotr’ombalahy iray izy, hatao sorona noho ny ota, ary ondralahy iray hatao sorona dorana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa miditra ao amin’ny Toeramasina Indrindra kosa i Aharôna, dia ireto avy no fomba harahiny. Ombilahy iray hatao sorona fanalana ny ota sy ondrilahy iray hatao sorona dorana manontolo no hoentiny.
Malagasy Bible 1865
Ary izao no ho entin'i Arona, raha miditra ao amin'ny fitoerana masina izy: vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy iray hatao fanatitra dorana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary izao no hoentin’i Arona raha miditra ao amin’ny fitoerana masina izy: Vantotra ombilahy iray hatao fanatitra fanadiovana sy ondrilahy iray hatao fanatitra dorana manontolo.
malagasy
Ary izao no ho entin'i Arona, raha miditra ao amin'ny fitoerana masina izy: vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy iray hatao fanatitra dorana.