Leviticus 16:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny mpisorona izay hohosorana sy hatokana ho mpisorona hisolo ny rainy dia hanao fanavotana; hitafy ny fitafiana vita amin’ny lamba rongony izy, dia ny fitafiana masina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ny hanao ny fanonerana dia izay mpisorona efa nandray ny fanosorana sy efa voatokana hanao ny raharahan’ny fisoronana mandimby an-drainy. Hitafy fanamiana rongony madinika, fanamiana masina izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Any aoriana any, dia ny mpisorona izay voahosotra sy voatokana ho mpisorombe hisolo ny rainy no hanao ireo fombam-pivavahana famelan-keloka sy fanadiovana ireo; ny fanamiana masina, ireo fanamiana vita kiran-drongony fotsy, no hiakanjoany amin’izany;
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpisorona, izay hohosorana sy hatokana ho mpisorona hisolo ny rainy, dia hanao fanavotana; ary hitafy ny fitafiana rongony fotsy izy, dia ny fitafiana masina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny mpisorona izay hohosorana sy hatokana ho mpisorona hisolo ny rainy dia hanao fanavotana; hitafy ny fitafiana vita amin’ny lamba rongony izy, dia ny fitafiana masina.
malagasy
Ary ny mpisorona, izay hohosorana sy hatokana ho mpisorona hisolo ny rainy, dia hanao fanavotana; ary hitafy ny fitafiana rongony fotsy izy, dia ny fitafiana masina.