Leviticus 16:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hanao fanavotana ho an’ny fitoerana masina izy sy ho an’ny tranolay fihaonana ary ny alitara sy ny mpisorona ary ny olona rehetra amin’ny fiangonana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hanao ny fanonerana ho an’ny fitoerana masin’ny fahamasinana izy, hanao ny fanonerana ho an’ny trano lay fihaonana sy ho an’ny ôtely; hanao ny fanonerana ho an’ny mpisorona, ary ho an’ny vahoakan’ny fiangonana rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia hanao ny fombam-pivavahana fanadiovana ho an’ny Toeramasina Indrindra sy ho an’ny faritra sisa amin’ny Tranolay fihaonana ary ho an’ny alitara fisoronana izy, ary koa hanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny mpisorona sy ho an’ny Fiangonan’ny Israelita tsivakivolo.
Malagasy Bible 1865
Dia hanao fanavotana ho an'ny fitoerana masina izy sy ho an'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara sy ny mpisorona ary ny olona rehetra amin'ny fiangonana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hanao fanavotana ho an’ny fitoerana masina izy sy ho an’ny tranolay fihaonana ary ny alitara sy ny mpisorona ary ny olona rehetra amin’ny fiangonana.
malagasy
Dia hanao fanavotana ho an'ny fitoerana masina izy sy ho an'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara sy ny mpisorona ary ny olona rehetra amin'ny fiangonana.Ary ho lalàna mandrakizay ho anareo izany, hanaovana fanavotana ho an'ny Zanak'Isiraely indray mandeha isan-taona hahafahany amin'ny fahotany rehetra. Dia nataon'i Arona araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.