Leviticus 16:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Akanjo masina lava vita amin’ny lamba rongony no hiakanjoany, kalisaonina vita amin’ny lamba rongony no hataony manolo-koditra, fehikibo vita amin’ny lamba rongony no hifehezany, fehiloha lamba rongony no hisatrohany: Fitafiana masina ireo ka handro amin’ny rano izy vao hiakanjo azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny tonîka masina vita amin’ny rongony madinika no hiakanjoany, kalisaona rongony madinika no hataony manolo-koditra, fehinkibo rongony madinika no hietràny ary hamama rongony madinika no hisatrohany; ireo fanamiana masina ireo no hitafiany rehefa avy nandro tamin’ny rano izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Akanjo lava voatokana, vita amin’ny kiran-drongony fotsy, no hanaovany; kalisaonina, vita amin’ny kiran-drongony fotsy, no hataony manolo-koditra; fehikibo, vita amin’ny kiran-drongony fotsy, no hietrany; ary fehiloha, vita amin’ny kiran-drongony fotsy, no hisatrohany: samy fanamiana voatokana ireo ka rehefa avy nandro i Aharôna vao hitafy azy.
Malagasy Bible 1865
Akanjo lava masina rongony fotsy no hiakanjoany, ary kalisaona rongony fotsy no hataony manolo-koditra, ary fehin-kibo rongony fotsy no hifehezany, ary hamama rongony fotsy no hisatrohany: fitafiana masina ireo, ka handro amin'ny rano izy vao hiakanjo azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Akanjo masina lava vita amin’ny lamba rongony no hiakanjoany, kalisaonina vita amin’ny lamba rongony no hataony manolo-koditra, fehikibo vita amin’ny lamba rongony no hifehezany, fehiloha lamba rongony no hisatrohany: Fitafiana masina ireo ka handro amin’ny rano izy vao hiakanjo azy.
malagasy