Leviticus 16:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hampanatonin’i Arona ny vantotra ombilahy izay hatao fanatitra fanadiovana ho an’ny tenany ka hanao fanavotana ho an’ny tenany sy ny ankohonany izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hatolotr’i Aarôna ny ombalahy noho ny ota, ary hanao fanonerana ho an’ny tenany sy ny ankohonany izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Dia hatolotr’i Aharôna ny ombilahy hatao sorona fanalana ny ota ho an’ny tenany; izay izy vao hanao fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny tenany sy ny ankohonany.
Malagasy Bible 1865
Dia hampanatonin'i Arona ny vantotr'ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho an'ny tenany sy ny ankohonany izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hampanatonin’i Arona ny vantotra ombilahy izay hatao fanatitra fanadiovana ho an’ny tenany ka hanao fanavotana ho an’ny tenany sy ny ankohonany izy.
malagasy
Dia hampanatonin'i Arona ny vantotr'ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho an'ny tenany sy ny ankohonany izy.