Leviticus 17:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary na iza na iza amin’ny taranak’Israely na amin’ny vahiny izay monina eo aminareo, no mihinan-dra, na ra inona na ra inona dia ny Tavako no hifanandrina amin’ilay olona mihinan-dra ka hesorina tsy ho amin’ny fireneny izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Na zovy na zovy amin’ny taranak’i Israely, na amin’ny vahiny mitoetra eo afovoany, hihinana ram-biby, na biby inona na biby inona, dia hanandrina izay olona mihinan-dra ny Tavako, ka hofongorako amin’ny fireneny izy;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Na iza na iza, Israelita na vahiny valovotaka eo aminy, mihinana ram-biby, na biby inona na biby inona, dia hohandriniko izany olona izany, ka hofongorako tsy ho anisan’ny vahoaka israelita.
Malagasy Bible 1865
Ary na iza na iza amin'ny taranak'Isiraely, na amin'ny vahiny eo aminareo, no mihinan-drà, ny Tavako dia hanandrina ny olona izay mihinan-drà, ka hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary na iza na iza amin'ny taranak'Isiraely, na amin'ny vahiny eo aminareo, no mihinan-drà, ny Tavako dia hanandrina ny olona izay mihinan-drà, ka hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izy.