Leviticus 17:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny ain’ny nofo dia ao amin’ny ra; ary nomeko anareo izany hatao ambonin’ny alitara mba hanaovana fanavotana ho anareo satria ny ra, amin’ny aina, no manao fanavotana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
satria ny ain’ny nofo dia amin’ny ra, ka ny hanolorana azy eo amin’ny ôtely hanaovana fanonerana ho an’ny ainareo, no nanomezako azy anareo, fa noho ny aina ao aminy no ahavitan’ny ra fanonerana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ny ain’ny zavaboaary mana-nofo manko dia ao amin’ny ra; ary navelako hampiasaina eo amin’ny alitara izany mba hahazoana famelan-keloka ho anareo, satria amin’ny maha aina azy no ampiasana ny ra hahazoana famelan-keloka.
Malagasy Bible 1865
Fa ny ain'ny nofo dia amin'ny rà; ary nomeko anareo izany hatao ambonin'ny alitara hanao fanavotana ho an'ny ainareo, fa ny rà no manao fanavotana, satria aina izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny ain’ny nofo dia ao amin’ny ra; ary nomeko anareo izany hatao ambonin’ny alitara mba hanaovana fanavotana ho anareo satria ny ra, amin’ny aina, no manao fanavotana.
malagasy
Fa ny ain'ny nofo dia amin'ny rà; ary nomeko anareo izany hatao ambonin'ny alitara hanao fanavotana ho an'ny ainareo, fa ny rà no manao fanavotana, satria aina izany.