Leviticus 17:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny amin’ny ain’ny zavamananaina rehetra dia ny rany no ainy, koa izany no nilazako tamin’ny Zanak’Israely hoe: Aza mihinana hena mbola misy ra fa ny rany no ain’ny zava-mananaina rehetra, koa izay rehetra mihinana azy dia haringana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
satria ny rany no ain’ny nofo rehetra: izy no ainy. Izany no nilazako tamin’ny zanak’i Israely hoe: Aza mihinana ny ran’ny nofo, na nofon’inona na nofon’inona, fa ny ain’ny nofo rehetra, dia ny rany; ka hofongorana izay mihinana izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny ain’ny zavaboaary rehetra mana-nofo manko dia ny ra izay ao aminy. Koa izany no nilazako tamin’ny Israelita hoe: ‹Aza mihinana ny ran’ny zavaboaary mana-nofo, satria ny rany no ainy; ka izay rehetra mihinana azy dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita ›.
Malagasy Bible 1865
fa ny amin'ny amin'ny nofo rehetra, dia ny ràny no ainy; koa izany no nilazako tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Aza mihinana ny ran'ny nofo; fa ny ràny no ain'ny nofo rehetra, ka izay rehetra mihinana azy dia haringana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny amin’ny ain’ny zavamananaina rehetra dia ny rany no ainy, koa izany no nilazako tamin’ny Zanak’Israely hoe: Aza mihinana hena mbola misy ra fa ny rany no ain’ny zava-mananaina rehetra, koa izay rehetra mihinana azy dia haringana.
malagasy