Leviticus 17:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny olona rehetra, na tompon-tany na vahiny, izay mihinana izay maty ho azy na izay noviraviraim-biby, dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro izy vao hadio.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny olona rehetra na tompon-tany na vahiny, mihinana biby maty ho azy na voaviravira, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano, ary haloto mandra-paharivan’ny andro, vao hadio.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Na iza na iza, Israelita tompontany na vahiny valovotaka, mihinana biby maty ho azy na voaviravira, dia hanasa fitafiana sy handro sady haloto mandra-paharivan’ny andro izy, vao hadio indray.
Malagasy Bible 1865
Ary ny olona rehetra, na tompon-tany, na vahiny, izay mihinana izay maty ho azy, na izay noviraviraim-biby, dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano, ary haloto mandra-paharivan'ny andro izy, vao hadio.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny olona rehetra, na tompon-tany na vahiny, izay mihinana izay maty ho azy na izay noviraviraim-biby, dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro izy vao hadio.
malagasy
Ary ny olona rehetra, na tompon-tany, na vahiny, izay mihinana izay maty ho azy, na izay noviraviraim-biby, dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano, ary haloto mandra-paharivan'ny andro izy, vao hadio.Fa raha tsy manasa fitafiana sy mandro izy, dia ho meloka.