Leviticus 17:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka tsy mitondra azy ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana, hanaterana azy ho fanatitra ho an’NY TOMPO eo anoloan’ny tabernakelin’NY TOMPO, dia ho meloka noho ny ra nalatsany io olona io ka hesorina tsy ho amin’ny fireneny izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nefa tsy nitondra azy teo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana, hanaterana azy ho fanatitra ho an’i Iaveh, eo anoloan’ny fonenan’i Iaveh, dia hahameloka azy izany, fa nandatsa-dra izy, ka hofongorana amin’ny fireneny izany olona izany;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia tsy maintsy mitondra azy ho eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana mba hanolorana azy ho fanatitra ho an’ny TOMPO eo anoloan’ny fonena-masin’ny TOMPO. Raha tsy izany no ataony, dia ho meloka ny amin’ny ram-biby nalatsany izy, ka hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita.
Malagasy Bible 1865
ka tsy mitondra azy ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, hanaterana azy ho fanatitra ho an'i Jehovah eo anoloan'ny tabernakelin'i Jehovah, dia ho meloka noho ny rà nalatsany izany olona izany, ka hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka tsy mitondra azy ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana*, hanaterana azy ho fanatitra ho an’NY TOMPO eo anoloan’ny tabernakelin’NY TOMPO, dia ho meloka noho ny ra nalatsany io olona io ka hesorina tsy ho amin’ny fireneny izy.
malagasy
ka tsy mitondra azy ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, hanaterana azy ho fanatitra ho an'i Jehovah eo anoloan'ny tabernakelin'i Jehovah, dia ho meloka noho ny rà nalatsany izany olona izany, ka hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izy,