Leviticus 17:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpisorona dia hamafy ny ra amin’ny alitaran’NY TOMPO eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana, dia handoro ny jaborany ka ho fofona manitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny ra, hatopin’ny mpisorona amin’ny ôtelin’i Iaveh, eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana; ny sabora, hodorany hanetona ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ilay mpisorona kosa hamafy ny ran’ilay biby eo amin’ilay alitara n’ny TOMPO, eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, ary handoro ny jaborany hanetona ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpisorona hanopy ny rà amin'ny alitaran'i Jehovah eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ka handoro ny saborany ho fofona ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpisorona dia hamafy ny ra amin’ny alitaran’NY TOMPO eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana, dia handoro ny jaborany ka ho fofona manitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO izany.
malagasy
Ary ny mpisorona hanopy ny rà amin'ny alitaran'i Jehovah eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ka handoro ny saborany ho fofona ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.