Leviticus 17:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy hanolotra intsony ny fanatiny ho an’ny Seìrima izay nijangajangany izy. Ho lalàna maharitra amin’ny taranany fara aman-dimby izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka dia tsy hanatitra intsony ny sorona ataony ho an’ny satira izay tompoiny izy. Lalàna tsy tapaka ho azy ireo hatrany amin’ny taranaka mifandimby izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny sorona fanaon’ny Israelita dia tsy hatolony intsony ho an’ny fanahy ratsy miendrika osilahy, izay nanaovany fanompoan-tsampy. Lalàna raikitra ho azy ireo hatrany hatrany izany.
Malagasy Bible 1865
Ary tsy hateriny intsony ny fanatiny ho an'ny Seïrima izay nijangajangany. Ho lalàna mandrakizay hatramin'ny taranany fara mandimby izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy hanolotra intsony ny fanatiny ho an’ny Seìrima izay nijangajangany izy. Ho lalàna maharitra amin’ny taranany fara aman-dimby izany.
malagasy
Ary tsy hateriny intsony ny fanatiny ho an'ny Seïrima izay nijangajangany. Ho lalàna mandrakizay hatramin'ny taranany fara mandimby izany.