Leviticus 18:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza misy arosonao ho sorona ho an’i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran’Andriamanitrao: Izaho no TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aza misy omenao hatolotra hodorana hankalazana an’i Môlôka ny zanakao; aza mametaveta ny Anaran’ny Andriamanitrao. Izaho no Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Aza misy omena hatao sorona dorana hanajana ny sampy Môlôka ny zanakao, satria manala baràka ny anaran’Andriamanitrao izany. Izaho no TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary aza misy ampandehaninao hamaky ny afo ho an'i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza misy arosonao ho sorona ho an’i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran’Andriamanitrao: Izaho no TOMPO.
malagasy
Ary aza misy ampandehaninao hamaky ny afo ho an'i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.