Leviticus 18:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa dia tandremo izay asaiko tandremana mba tsy hisy hataonareo akory izany fanao vetaveta izany, izay nataon’ny olona talohanareo. Aza mandoto ny tenanareo amin’ireo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tandremo ny didiko mba tsy hanatanterahanareo na inona na inona amin’ireo fomba vetaveta fanao talohanareo, ka tsy handotoanareo ny tenanareo amin’izany. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Koa tandremo izay asaiko tandremanareo mba tsy hisy hataonareo akory ny fomba mamoafady izay fanaon’ny olona talohan’ny fahatongavanareo; ka aza mandoto tena amin’izany ianareo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.»
Malagasy Bible 1865
Koa dia tandremo izay asaiko tandremana, mba tsy hisy hataonareo akory izany fanao vetaveta izany, izay nataon'ny olona talohanareo, ka aza mandoto ny tenanareo amin'izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa dia tandremo izay asaiko tandremana mba tsy hisy hataonareo akory izany fanao vetaveta izany, izay nataon’ny olona talohanareo. Aza mandoto ny tenanareo amin’ireo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
malagasy