Leviticus 19:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza otazana avokoa ny voaloboka eo amin’ny sahanao ary aza tsimponina izay latsaka eo amin’ny sahanao. Avelao ho an’ny mahantra sy ny vahiny izany: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aza mioty ny salohiny tavela amin’ny voalobokao; ary aza mitsimpona ny voankazo latsaka amin’ny sahanao; fa avelao izany ho an’ny mahantra sy ny vahiny. Izaho no Iaveh Andriamanitrao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aza otazana koa ny sampaho tavela amin’ny voalobokareo, ary aza tsimponina ny voany latsaka amin’ny tany; fa avelao izany ho an’ny mahantra sy ny vahiny. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
Malagasy Bible 1865
Ary aza otazana avokoa ny eo amin'ny sahanao, ary aza tsimponina izay latsaka eo amin'ny sahanao; fa avelao ho an'ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza otazana avokoa ny voaloboka eo amin’ny sahanao ary aza tsimponina izay latsaka eo amin’ny sahanao. Avelao ho an’ny mahantra sy ny vahiny izany: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
malagasy
Ary aza otazana avokoa ny eo amin'ny sahanao, ary aza tsimponina izay latsaka eo amin'ny sahanao; fa avelao ho an'ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.