Leviticus 19:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza mandehandeha manaratsy ny mpiaramonina aminao; aza mitsangana handatsaka ny ran’ny namanao: Izaho no TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aza manely fanaratsiana eo amin’ny firenenao. Ary aza mitsangan-ko vavolombelona handatsaka ny ran’ny namanao. Izaho no Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aza manely fanendrikendrehana olona eo amin’ny mpiray firenena aminareo. Aza mitsangan-ko vavolombelona mandainga mba hanamelohana ny namanareo ho faty. Izaho no TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Aza mandehandeha manaratsy eo amin'ny firenenao; aza mitsangana handatsaka ny ran'ny namanao: Izaho no Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza mandehandeha manaratsy ny mpiaramonina aminao; aza mitsangana handatsaka ny ran’ny namanao: Izaho no TOMPO.
malagasy
Aza mandehandeha manaratsy eo amin'ny firenenao; aza mitsangana handatsaka ny ran'ny namanao: Izaho no Jehovah.